<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Cruger</author>
<title>Jeso dia tokiko FFPM495</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso dia tokiko,
 Fa Mpamonjiko mahery,
 Sady tena zokiko
 Tsy hamela ahy irery
 Ao amorom-pasako,
 Fa hiaraka amiko.

[V2]
 Izy tenany mandre
 Ny hangidin'ny fitàna
 Ilay ony maintibe
 Vokatry ny fahotana ;
 Koa tsy hilaozany
 Irery ny olony.

[V3]
 Izaho hody vovoka,
 Fa ny androko ho lany,
 Nefa dia hatsangana
 Sy hakarina hankany
 Amim-boninahitra,
 Izay tsy mety tapitra.

[V4]
 Dia ho tafatambatra
 Ny fanahy sy ny tena,
 Ary samy sambatra,
 Fa nahazo famonjena,
 Izay Jesosy, havako,
 Vao ho tena hitako.

[V5]
 Izay manjo atý izao
 Tsy mba misy ao akory,
 Fa finaritra ny ao.
 Tapitra ny mampahory,
 Ka ny fahalovana
 Hody fifaliana.

[V6]
 Eto aho reraka,
 Any misy hazon'aina
 Vita sy tanteraka
 Izay rehetra nantenaina
 Ao no hahatrarako
 Ny fahasambarako.</lyrics>
<hymn_number>495</hymn_number>
</song>